Fivahiniana tany Genève – MICA.

Ny fandraisana an-tanana ny fanampiana eo amin’ny raharaham-barotra, izay tarihan’ny OMC, dia mamporisika ireo firenena an-dalam-pandrosoana sy ireo mpanohana hanaiky ny anjara toeran’ny varotra eo amin’ny fampandrosoana. Izany dia mikendry indrindra ny hampivondrona ireo harena rehetra mba ho entina miady amin’ireo sakana ara-barotra hita eo amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana sy ireo mbola lavitry ny fandrosoana.
Isan’ireo mpandaha-teny nandritra ny fihaonamben’ny OIF iray mikasika ny varotra elektronika eo anivon’ny firenana mampiasa ny teny frantsay Ramatoa Lantosoa RAKOTOMALALA, Minisitry ny MICA, izay niaraka tamin’ireo delegasiona malagasy nandray anjara tamin’ny fifantohana maneran-tany ho an’ny fanampiana eo amin’ny raharaham-barotra andiany faha fito. Nizara ny toetoetry ny « e-varotra » eto Madagasikara sy ny ho avin’izany sehatra izany izy tamin’io fotoana io. 
Nandritra io fivahiniany tany Genève io dia nanokana fotoana nihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka stratejika sy niaro ireo tetik’asa mikasika ny indostria, ny varotra sy ny asa tanana malagasy izy, toa ny Sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny « Cadre Intégré Renforcé », Ratnakar Adhikari, ny mpanolo-tsaina momba ny lalànan’ny ACWL, Christian Vidal-Leon, ny Talen’ny fampandrosoana indostrialy sy ara-barotra eo amin’ny BAD, Abdu Mukhtar, ny solon-tena maharitry ny ONUDI any Genève , Franck Van Rompaey, ny Sekretera Jeneralin’ny COMESA, Chileshe Kapwepwe, ny Tale mpanatanteraka ao amin’ny « Centre du Commerce International » Arancha Gonzale sy ny Sekretera Jeneraly Lefitry ny CNUCED, Isabelle Durant.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *