Fanaraha-maso tany Antsirabe.

Ny 04 jolay lasa teo, dia nisy tompon’andraikitra avy eto anivon’ny MICA nanatanteraka fanaraha-maso tany Antsirabe. Tamin’izany indrindra no nahitan’izy ireo entana maro samihafa efa tsy azo ampiasana intsony sy lany andro aman-taonina toy ny : menaka, vary, lafarina, paty, ronono mandry amin’ny boaty ary voatabia amin’ny boaty. Tamin’io fotoana io ihany koa no nahatratrarana lafarina 660 kitapo amin’ny 50kg efa simba izay ho entina ao amin’ilay trano fanatobiana entan’ity mpandraharaha iray. Nandritra ny fijerena izany trano fanatobiana izany no nahatsikaritra ireto mpanara-mason’ny Minisitera ireto fa ankoatra ireo vokatra efa lany daty dia tsy voahaja ihany koa ny fepetra takiana amin’ny fitahirizana ny vokatra. Ireo vokatra simika dia tsy voatokana ary mifangaro sy mikasoka amin’ireo akora fihinana. Noho izany, nogiazina sy tsy azo amidy ireo vokatra voatanisa ireo mandritra ny fanadihadiana. Ny MICA dia mankasitraka ireo olon-tsotra loharanom-baovao mahakasika ity raharaha ity ary mbola mandrisika hatrany ny tsirairay mba hanamarina tsara ny fe-potoana azo hampiasana na hinanana ireo entana amidy eny an-tsena. Ny fanapahan-kevitra mahakasika ity raharaha ity dia ho ampahafantarina ny rehetra aorian’ny fanadihadiana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *