Tontosa ny 30 Jolay tetsy amin’ny Hôtel Le Louvre Antaninarenina ny fanokafana ofisialy ny atrikasa « Fakan-kevitra nasionaly momban’ny sehatry ny Angovo sy Fanorenana », izay teo ambanin’ny fiahian’ny MICA ary novatsian’ny tetikasa TRF (Trade Related Facility Madagascar). Haharitra roa andro ity atrikasa izay nosokafan’Atoa RARIVOJAONA Njara, Tale Jeneralin’ny Varotra eto anivon’ny Minisitera ary notronin’ireo mpisehatra voakasika rehetra. Ny tanjona tratrarina dia ny hahafantarana ny lanjan’ny varo-draharaha ho an’ny firenena anankiray (toa i Madagasikara), sy ny hamaritana ny anjaran’ny varo-draharaha raha oharina amin’ny fampidiram-bolan’i Madagasikara. Nofaritana mandritra izany ihany koa ny toeran’ny sehatry ny angovo ao anatin’ny varo-draharaha. Nisy ihany koa ny famokarana ny « liste d’engagement spécifique » vokatr’ity atrikasa ity.

Leave a Comment