fihaonam-ben’ny kaoperativa andiany faha-2

Ho tohin’ny hetsika fanatsarana ny tontolon’ny kaoperativa, dia nikarakara ny fihaonam-ben’ny kaoperativa andiany faha-2 ny MICA sy ny Vondrona Nasionalin’orinasa Kaoperativa avy any Etazonia – CLUSA iraisam-pirenena (NCBA CLUSA) izay notontosaina tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antanimena ny 01 sy 02 Aogositra 2019. Ny lohahevitra lehibe izay noresahina nandritra ity fihaonam-be ity, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Famoronana tontolo ho fanitarana ny Kaoperativa » (CECE), tohanan’ny USAID, dia mifantoka amin’ny maha vondrona sy amin’ny maha-orinasa ny kaoperativa. Ho an’ity andiany faha-2 ity dia nampahafantarina ny mpandray anjara ny mombamomba ny paikady nasionaly ho an’ny fampandrosoana ny kaoperativa (SNDCoop) mba hanoherana ireo sakantsakana mety hitranga, hahafahana mitsinjo mialoha ny tolo-kevitra hamerina na hanatsarana ny lalàna momba ny kaoperativa ary koa hahafahana mifanakalo hevitra momban’ny endriky ny tontolon’ny kaoperativa. Ho amin’ny 10 taona ho avy, ny tanjona iraisan’ireo mpandray anjara dia mifantoka amin’ny hoe « sehatry ny kaoperativa mahomby sy matihanina ary mahaleo tena, fototra iray ho an’ny fampandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialy eto Madagasikara” . Araka ny tenin’ny Tale Jeneralin’ny Indostria eto amin’ny MICA, Andriamatoa Gaëtan RAMINDO, ireo kaoperativa dia heverina fa fitaovana entina hampandrosoana ny toe-karena ary ho famerenana amin’ny laoniny ny rafitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *