Ny « International Cocoa Awards » dia programa iray natokana hanomezana valisoa isaky ny roa taona ireo kakaô tsara indridra izay mifandray amin’ny faritra niaviany ary navondrona eo ho eo amin’ny mpamokatra miisa dimampolo.

Amin’ireo santionany voaray dia mpamokatra 3 avy any amin’ny faritra Ambanja no voafantina nohon’ny hatsaran’ny kalitaony : MAVA SA avy any Ambohimena Atsimo, Randrianasoa avy any Antanamandriragna, Marotolagna, ary Lalatiana Andrianarison avy any Mangabe, Antranokarany.
Voafantina tamin’ny ireo 223 voaray avy amin’ny firenena 55 samihafa ary mandray anjara amin’ny fifaninana izay kakao 50 tsara indrindra azo ahodina ho sôkôlà « chocolat noir » izy ireo.
Ny fanolorana ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena amin’ny fifaninana « International Cacao Awards » dia hatao ny 30 Aogositra mandritry ny Salon du Chocolat.

Leave a Comment