Fampirantiana Solomon Manan’art

Solomon Manan’art, mpanao zava-kanto vita amin’ny hazo Solomon mpanao sokitra malaza avy ao Ambositra tonga mampiranty ireo zava-kantony eny amin’ny Hôtel du Louvre Antaninarenina, izay aharitra hatramin’ny faran’ny volana aogositra izao. Manam-pahefana maro no tonga nanokatra sy nitsidika ireo fampirantiany toa ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana dia niarahaba azy noho ireo sangan’asany matihanina amin’ny fanodinana ny hazo ho vokatra hafa. Nohamafisin’ny mpanolontsainan’ny Minisitera, Atoa Anthony Rakotomahazo, tohanan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fampandrosoana ny Sampam-pamokarana (DPF) fa ny Minisitera dia manohana hatrany ny asa tanana matihanina toy izao, indrindra ny fampiasana hazo voazera sy tsy ampiasaina intsony, hamoahana zava-kanto. Manasa ny be sy ny maro ihany koa ny MICA ho tonga hitsidika sy hisitraka ireo asan’i Solomon eny Antaninarenina

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *