« Kanton’i Gasikara » Andiany faha-2 : manandratra avo hatrany ny asa tanana malagasy. Izany ny tanjona napetraky ny mpikarakara ity tsenabe ity izay tanterahina ny 28 hatramin’ny 31 Aogositra eo amin’ny Zaridainan’Antaninarenina. Ity hetsika ity moa dia eo ambany fiahian’ny MICA ary iarahana amin’ny ORTANA. Maherin’ny 2.000 ny mpitsidika andrasana mandritra ireo 4 andro misesy ireo. Ny mampiavaka ity andiany faha-2 ity dia ny fisian’ny fifaninanana mikasika ny « design » sy kalitao eo amin’ny asa vokarin’ireo mpandray anjara miisa efapolo (40). Mbola mitohy hatrany ny fanohanana sy ny fanampiana ataon’ny MICA amin’ny hetsika toy izao izay mifanaraka tanteraka amin’ny vinan’ny Minisitera : mampiroborobo ny sehatry ny asa tanana, hoy Andriamatoa DGA KAJALY Audace. Manaraka izany, ho fampiarana ny mahamatianina ireo mpanao asa tanana malagasy dia hisy atsy ho atsy ny fanamafisana fahalalana araka ny sehatr’asa misy azy ireo avy izay hiandraiketan’ny MICA.

Leave a Comment