APEESPA Vontovorona

17 septambra 2019| Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampahafantarana ny « Association pour la Promotion de l’Entrepreneuriat de l’Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (APEESPA) » teny amin’ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA) Vontovorona izay teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana. Nampitondraina ny lohahevitra :« ny injeniera sy ny fandrarahana » ity andiany ity ary navoitra tamin’izany ny : – « ny maha zava-dehibe ny tontolon’ny fandraharahana », Rtoa Irène Andriamaneho Hanitriniala, Tale misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana eto amin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana ; – « Tombontsoan’ny teknisiana eo amin’ny sehatry ny asa fandraharahana » : Rtoa Faravololona Rasamimanana, filohan’ny filan-kevim-pitantanana sy Talen’ ny orinasa Vohitra Environnement ; – « Ny etikan’ny mpandraharaha injeniera » : Atoa Mamy Rabenanahary, filohan’ny Ordre des Ingénieurs de Madagascar.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *