Fitsidihana ny faritra Atsinanana

Nifanandrify tamin’ny hetsika « Spicemarine 2019 », nokarakarain’ny orinasa Malagasy Shipping S.A, ao anatin’ny vondrona Safmarine ny fandalovan’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tananana tany amin’ny faritra Atsinanana. Natrehan’ireo mpanondrana jirofo ao an-toerana sy ireo mpandraharaha maro samihafa izany. Hatramin’ny nivondronan’ireo Mpanondrana Jirofo tao amin’ny Groupement des Exportateurs de Girofle de Madagascar (GEGM) , ny asan’ny orinasa Safmarine dia manampy hatrany ireo sehatra tsy miankina amin’ny fitazonana ny kalitaon’ny jirofo malagasy ka afahany mifaninana tsara amin’ny hafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mitazona ny laharana faharoa maneran-tany. Nanamafy ny filoha lefitry ny GEGM, Atoa Simon Lock, tamin’ny filazany fa fahombiazana tokoa izany fiaraha-miasa amin’i Safmarine izany, indrindra amin’ny fahatongavan’ny vokatra any amin’ny mpanjifa. Ho an-dRamatoa Minisitra, ny haha-matihanina ny mpisehatra rehetra eo amin’io sehatra io dia antoka iray hihazonana io toerana io. Noho izany dia tokony hitohy hatrany, hohamafisina ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisitera sy ny mpandraharaha.