Fivoriam-ben’ny ONUDI

Fivoriam-ben’ny ONUDI: 35 tapitrisa dolara ho an’i fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara

Nandritra ny andiany faha 18 ny fivoriamben’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) no nanaovan’i Madagasikara ny fanaovan-tsonia famatsiana mitentina 35 tapitrisa dolara. Voalohany ary sambany eo amin’ny tantara no nahazo famatsiam-bola avy amin’ity sampan-draharaha ao anatin’ny firenena mikambana ity i Madagasikara. Fifanarahana izay entina hamatsiana tetikasa maro toy ny orinasa madinika mpanao siramamy any Mahajanga sy Fort Dauphin, ny fanamboarana centrale hydraulique any Bongolava sy SAVA ary ny famatsiana herinaratra hoana orinasa madinika sy salantsalany. Ny Filoha Andry Rajoelina moa no vahiny manan-kaja nasaina manokana nandritra ity fivoriana ity, ary nanana anjara fitenenana manokana androany 3 novambra tao amin’ny Emirates Palace Hôtel, Abu Dhabi. Tamin’izany no nanamafisany fa ny fampandrosoana any Madagasikara dia tsy maintsy mifototra amin’ny fampandrosoana ny lafiny ara indostria. Ny fanamby dia ny hampitombo hatramin’ny 25% ny anjaran’ny indostria ao amin’ny harin-karena faobe hatramin’ny taona 2025. Nanambara moa ny Tale Jeneralin’ny ONUDI Andriamatoa Li Yong fa resy lahatra tanteraka amin’ny vina napetraky ny Filoham-pirenena izay ohatra tsara alain-tahaka ho an’ny mpitondra sy ny tanora rehetra indrindra ny aty amin’ny kaontinanta afrikanina.
Taorian’izay dia nisy ihany koa fihaonana tamin’ireo olo-manan-kaja maro izay notanterahina teto Abu Dhabi ka anisan’izany ny filohan’i Niger, Mahamadou Issoufou; ny Praiminisitra lefitrin’i Emirats Arabes Unis, Scheikh Mansour Bin Zayed Al Nahyan; ary ny Minisitry ny Indostria sy ny Angovo ny Emirats Arabes Unis.