Global Business Roundtable – Afrikana Tatsimo

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana Global Business Roundtable (GBR) sy ny masoivoho Afrikanina Tatsimo eto Madagasikara dia tontosa ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpandraharaha tanora sy vehivavy malagasy sy Afrikanina Atsimo ny 25 Oktobra lasa teo tetsy amin’ny efitrano fivoriana DLC Anosy. Ny lohahevitra tamin’ity fihaonambe ity : « Ny tena ho mpitarika ny ampitso dia ny mitondra mankany amin’ny fifanakalozan-kevitry ny fandraharahana : Madagasikara sy Afrika Atsimo ». Ny tanjona amin’ity fihaonana voalohany ity dia hahafahan’ireo tanora manam-pahaizana manokana momba ny orinasa avy eto Madagasikara sy Afrika atsimo hizara fahalalana azo ampiharina, ary hifanakalo traikefa ananan’ireo momba ny fahafahan’ny mpandraharaha eo amin’ny firenena roa tonta.