Fikaonan-doha nasionaly ho an’ireo mpandraharaha

Natao ny 15 sy ny 16 novambra 2019 teo tetsy amin’ny Pavé Antaninarenina ny andiany voalohany ny fikaonan-doha nasionaly ho an’ireo mpandraharaha, nokarakarain’ny Fikambanan’ny mpandraharaha Madagasikara Entreprises Développement (MED) sy ny Jeune Chambre Internationale (JCI) izay teo ambanin’ny fanohanan’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana. Nifantoka tamin’ny fizarana fahaizana, ny fianarana ary ny hampifandraisana amin’ireo samy mpandraharaha malagasy ny laha-dinika, araka ny lohahevitra noentina : « Mpandraharaha Malagasy am-panatanterahana ny fampandrosoana maharitra ». Ny tanjona lehibe tamin’ity fikaonan-doha ity dia ny ahafahana manangana tambajotra lehibe amin’ireo mpandraharaha mpandray andraikitra mba hikendrena sy hanambarana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fampandrosoana maharitra. Ho an’ny MICA, ny fampandrosoana ny fandraharahana eto Madagasikara dia zava-dehibe ary hifantohan’ny Minisitera manokana. Ny fanohanana sy ny fampiroboroboana ny asa fandraharahana dia laharam-pahamehana ho an’ny MICA satria ny tanora sy ny vehivavy manana tetikasa dia mamokatra asa sy sanda hary ho an’ny firenena. Nohamafisin’ i Atoa Tale Jeneraly misahana ny Indostria Ramindo Gaëtan, solotena ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fikaonan-doha fa ny fanohanana ireo tanora dia efa natomboka tamin’ny alàlan’ny programa « Fihariana ».