Herinandron’ny mpandraharaha manerantany

Ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Herinandron’ny mpandraharaha maneran-tany » dia natao tetsy amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny (MAE) ny 18 Novambra 2019 teo izay natrehan’ny Sekretera Jeneralin’ny MAE, ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana eto amin’ny MICA, ny Tale Jeneralin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Filoha lefitry ny Global Entrepreneurship Network (GEN) eto Madagasikara. Ny herinandron’ny mpandraharaha dia ankalazaina isan-taona amin’ny firenena 170 izay anaovan’ny GEN iraka ho entina anomezana aingam-panahy sy hampifandraisana ary hanohanana ireo mpandraharaha any amin’ny firenena rehetra. Nandritra ity herinandron’ny mpandraharaha ity dia nifantoka manokana tamin’ny fahalalana ny fandraharahana sy ny fifandraisan’ireo mpandraharaha ny fivoriana. Notsiahivina nandritra ny fanokafana koa fa i Madagasikara dia manana tany tsara mety amin’ny fandraharahana ary ilaina ny manohana sy manosika ireo tanora sy vehivavy amin’izany. Ny 18 ka hatramin’ny 25 Novambra izao dia hisy ny hetsika fihaonambe amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra sy ny tanàna hafa mba ho fanampiana ireo mpandraharaha amin’ny ho avy. Olona 60 tapitrisa no voakasik’izany ary ny 23% dia mpandraharaha afrikanina vehivavy, ny MICA amin’ny alàlan’ny sampan-draharaha Fampiroboroboana ny Fandraharahana dia manampy sy miaraka amin’ny tanora sy vehivavy amin’ny dingana hidirana amin’ny mpandraharaha. Ny MICA dia manohana sy manampy ny olon-drehetra sy ny orinasa te-handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena.