Fanokanana ny tranon’ny mpanjifa

Notokanan-dRtoa Lantosoa RAKOTOMALALA , Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana ny 22 Novambra lasa teo ny tranon’ny mpanjifa etsy Mahamasina. Ny tranon’ny mpanjifa dia mikendry ny hisolo tena ny mpanjifa sy hiaro ny tombotsoany eny amin’ny fitantanan-draharaha sy ny orinasa. Nanararaotra ny Minisitra nampahatsiahy fa isan’ireo asa lehibe ato amin’ny Ministera ny fiarovana ny mpanjifa amin’ny alàlan’ny sampan-draharaha miaro izany ary ny roa tonta dia tokony hiara-hiasa amin’ny fiarovana ny vahoaka amin’ny fiantsenana ataony sy hanentanana azy ireo hanasongadina ny vokatra eto an-toerana ary am-pireharehana amin’ny marika « Malagasy_Ny_Antsika ».