JIA 2019

Nankalazaina ny 21 Novambra 2019 tao amin’ny Carlton Anosy ny andro natokana ho an’ny sehatry ny indostrian’ny Afrika (JIA) izay nokarakarain’i MICA niarahana tamin’ny Fikambanan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana ny Indostria ary ny SIM, izay nampitondraina ny lohahevitra : « Fametrahana ny indostria Afrikanina ho famatsiana ny tsenan’ny varotra malalaka aty amin’ny kaontinanta afrikanina (ZLECAF) ». Nandritra izany koa dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharan’asam-pirenena, izay nosoniavina tany am-piandohan’ity volana ity tany Abu Dhabi, ho fampiroboroboana ny indostria maharitra ho an’ny rehetra eto Madagasikara. Ity antontan-taratasy fandaharan’asa manohana ny fisandratana indostrialy ity dia fitaovana hampifanarahana ny laharam-pahamehana ary handrindrana ny hetsika ho an’ny sehatra tsy miankina. Ity sehatra ara-barotra malalaka ity dia loharanom-bola amin’ny lafiny famoronana asa sy fampandrosoana ny indostrian’ny firenena.Ny fandaharan’asa fisandratan’i Madagasikara dia mamaritra ho laharam-pahamehana lehibe indrindra ny fampandrosoana ny indostrian’ny firenena. Rtoa Minisitry ny MICA dia nilaza fa ny firenena izao dia efa miomana amin’ity ZLECAF ity mba hametrahana laharam-pahamehana ho an’ny famokarana eto an-toerana ny filan’ny mponina.Izany dia hanomanana antsika eny amin’ny tsena afrikanina, hoy izy nanampy nandritra ny latabatra boribory.