hetsika entina hiarovana ny mpanjifa tany Betsiboka

Amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao dia nanatanteraka hetsika entina hiarovana ny mpanjifa ny teo anivon’ny Foibem-pitondran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana Betsiboka ny 18 sy 19 Desambra lasa teo. Nahitana entana efa lany andro araka izany teny amin’ny tranom-barotra sasan-tsasany. Efa voageja ireo entana ireo ankehitriny ary efa mandeha avokoa ireo rindran-damina rehetra mahakasika izany. Mbola hitohy mialohan’ny faran’ity taona ity ny fidinana eny an-tsena tontosain’ny Foibem-pitondranan’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana.

Sary nomena