Fitsidihana ny orinasa Huilerie de Melville

Orinasa sangany eo amin’ny sehatry ny #indostria ny Savonnerie Tropicale, naorina tamin’ny taona 1967 izay mampiasa lelavola 100% malagasy ary ahitana mpiasa manana traikefa mihoatra ny 40 taona. Hijerena ny fanamby hatrehan’izy ireo andavanandro, hahafahana manohana azy ireo amin’ny dingana manaraka, dia tonga nitsidika ny orinasa « Huilerie de Melville » izay mikambana ao amin’ny vondrona Savonnerie Tropicale ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary Asa tanana, Rtoa Lantosoa.