đź“Ł Vaovaon’ny faritra : Menabe

Ao anatin’ny fanatanterahana ny hetsika Tsinjo tarihin’ny #MICA dia nihaona tamin’ireo mpivarotra ambongadiny sy ireo mpaninjara tany Morondava ny 24 Febroary lasa teo ny ekipan’ny DRICA Menabe. Nandritra ny fihaonana dia nampahatsiahy ireo lalĂ na sy fepetra mifehy ny varotra ny DRICA ary koa nanentana ny mpandraharaha ara-barotra rehetra ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny mpanjifa amin’ny alalan’ny famatsiana ny entana ilaina maika (#PPN) eny an-toerana sy ny tsy fiovan’ny vidin’ny entana na dia teo aza ny andro ratsy tato ho ato.