đź“Ł Vaovaon’ny faritra : Bongolava

Ho fanatsarana ny lafiny serasera mahakasika ny fampivoarana ny fandraharahana eny anivon’ny Faritra Bongolava, dia nisy ny fiaraha-miasan’ny DRICA sy ny Programa PROSPERER tany an-toerana amin’ny fanatanterahana fandaharana iray antsoina hoe « FANOITRA » ao amin’ny FAFI RADIO – RADIO BONGOLAVA ary TSIDIDY RADIO ho fampahafantarana ny mponina ao amin’ny faritra mahakasika ny fandraharahana ankapobeny. Amin’io fandaharana amin’ny onjam-peo io ihany koa no hitaterana amin’ny mpihaino ireo zava-bita sy ny vinan’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana, indrindra ny drafitrasa mandritra ity taona 2020 ity sy hanaovana ireo fanentanana samihafa mahakasika izany.
Marihina manokana moa fa natao izao ezaka izao ho santatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Koa natomboka izany tamin’ny fanentanana mivantana ny mpandraharaha any amin’ny faritra Bongolava ny momba ny fivoriana fampahafantarana ireo lalàna mifehy ny varotra anatiny ny 27 febroary lasa teo izay notronin’ny Talen’ny Varotra Anatiny avy tamin’ny MICA sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sivily sy miaramila tany an-toerana.

Sary nomena