đź“Ł Vaovaon’ny faritra : Analanjirofo

Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa ny tany amin’ny faritra Analanjirofo izay notarihin’ny DRICA tany an-toerana ny 18 Martsa lasa teo.Nisy araka izany ny famelabelarana narahina adihevitra mikasika ny zo sy ny fiarovana ny mpanjifa tao amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Analanjirofo.

Nanatanteraka fidinana teny amin’ny tsena Bazary Be sy Bazary kely tao Fenerive Est ihany koa ireo delegasiona nanao ny fanaraha-maso ara-barotra teny an-toerana.

Nofaranana tamina fanentanana sy fanabeazana tao amin’ny « Radio Fanilo Fenerive Est » ny fanamarihana izany andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa izany.