Fidinana teny amin’ny tsena Ambodivona

Tsy mitsahatra ny fanaraha-maso entitra ataon’ny fitondram-panjakana. Mitohy ny fidinan’ireo minisitra telo mianadahy ary natao teny Ambodivona izany androany.

Ady amin’ny fanararaotana sy ny tsy ara-dalĂ na no atao amin’izany. Adidin’ny Minisitera ny fitsinjovana ny mpanjifa, ny mpandraharaha sy ny fanjakana eo amin’ny sehatry ny fanjifana.

Tsy azo ekena ny fampiakaram-bidy tsy voamarina. Ankasitrahana ny ezaka ataon’ireo mpivarotra manara-dalĂ na sy mitsinjo ny mpiara-belona.