Tsinjo : Ankatso

Nidina nijery ny fandaminana momba ny fizotry ny Tsena Mora teny Ankatso Ramatoa Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana (MICA), Lantosoa Rakotomalala. Tanàna misy mpianatra maro avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo izay tsy mianatra amin’izao fotoana izao moa ny tanan’Ankatso. Nanamafy ny fanentanana momba ireo fitsipika aro sy fidiovana izy nandritra izany.