Tsinjo : Antananarivo sy ny manodidina

Teny amin’ny faritra Ambohibao, Ambohijanahary, Talamaty, Imerinafovoany, Mamamba no nanaovan’ny MICA fanaraha-maso ny 25 martsa 2020. Nohamafisina ireo toromarika na momba ny vidin’entana sy ny famoahana izany araky ny tokony ho izy, na momba ny fepetra aro sy fidiovana ary manaraka ny lamina napetraky ny fitondram-panjakana.