Tsinjo : Ambohipo

Tanteraka soa aman-tsara ny fitaterana ny vary tao amin’ny boriborin-tany faharoa tao Ambohipo, ny zoma 3 aprily. Raha ampatsiahivina dia hetsika karakarain’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana (MICA) miaraka amin’ny sehatra tsy miankina, ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny izy ity. Ny tanjona dia ny hitondrana vahaolana ho an’ny mpanjinjara madinika mahita fahasahiranana eo amin’ny fitaomana ny entana ka ny MICA no mitatitra izany any amin’izy ireo. Mampihena ny saran’ny fitaterana izany ary ahazoan’ny MICA antoka fa tsy tapaka ny famatsiana eny amin’ny tsena sady voahaja ny vidiny napetraka hiarovana ny mpanjifa