Tsinjo : Fanaraha-maso Itaosy Andranonahoatra

Ankoatry ny famatsiana dia tsy miato ny fanaraha-maso akaiky ataon’ny MICA amin’ireo vidin’entana. Amin’ireo vidim-bary nahitana fiakarany dia nandraisan’ny mpanara-mason’ny varotra eto amin’ny minisitera fepetra. Noho izany nampidinina ny vidin’ny Makalioka, vary gasy, stock, vary luxe ary notsindriana ny tsy maintsy hanarahana ny lalàna dia ny fananana taratasim-barotra (facture) mazava sy ny fametahana ny vidin’ny entana