Fizarana ny CVO sy Aro-vava Ambohidroa-Andranomena

Manomboka anio alatsinainy 27 aprily dia napetraky ny fitondram-panjakana ny tsy maintsy hanaovan’ny olona rehetra mivoaky ny tranony aro vava. Hanampiana ny vahoaka amin’izany dia nisy ny fizarana aro vava, niaraka tamin’ny CVO, notanterahin-dRamatoa Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana (MICA) sy ny Minisitry ny tanĂ na vaovao sy toeram-ponena. Natao ny sabotsy 25 aprily lasa teo izany teny amin’ny fokontany Andranomena, Ambohidroa.