Vaovaon’ny faritra : Matsiatra Ambony, Bongolava, Atsimo Andrefana, Menabe, Analanjirofo

Tsy mitsahatra ary mitohy hatrany ny asa fitsinjovana ny mpiara-belona eny anivon’ny faritra izay tontosain’ny DRICA, hetsika izay natomboka vao nisantatra ny fiatrehana ny COVID-19 i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fizarana sy ny fanaraha-maso ny fitsinjarana ny vatsy TSINJO, ny fanaraha-maso tsy tapaka ny vidin’ny entana eny an-tsena ary ny fizarana aro tava ho an’ireo be antitra marefo ara-pahasalamana amin’izao ady amin’ny valan’aretina COVID 19 izao.