Fanamarihana ny JMA 2020: fitsidihana nataon’ny Minisitry ny MICA

Amin’izao herinandro natokana ho an’ny asatanana izao dia nitsidika ireo mpanao asatanana teny amin’ny CENAM ary koa teny amin’ny « Village artisanal » 67ha ny Minisitry ny Indostria sy Varotra ary ny Asatanana. Fotoana iray nahafahany nihaino sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpanao asatanana ireo fa indrindra nahafahany nanentana azy ireo ny amin’ny fikarohana hatrany mikasika ny kalitao sy ny haitao vaovao eo amin’ny lafiny famokarana.