Famaranana ny JMA 2020: fizarana mari-pakasitrahana ho an’ireo mpanao asatanana

Ho famaranana am-pifaliana ny herinandro natokana ho an’ny asatanana dia nanatanteraka ny fizarana mari-pakasitrahana ho an’ireo mpanao asatanana miisa 18 voahofana teo anivon’ny CENAM izay natrehan’ny delegasion’ny MICA notarihan’ny Atoa Sekretera Jeneraly anio. Izy 18 ireo dia misehatra ao anatin’ny fanaovana rary, asa vy, « mécatronique », ny zaitra ary ny hazo. Mirary soa ho an’ny fitohizan’ny asatanana sahan’izy ireo avy ny eto amin’ny MICA.