Vaovaon’ny faritra : Bongolava

Ho fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana eny anivon’ny faritra dia tonga nitsidika koperativa mpamokatra katsaka miisa 4 tao amin’ny kaominina Mahasolo ny DRICA Bongolava sy ny fandaharan’asa PROSPERER ny 11-12 Jona lasa teo. Hisy tsy ho ela ny fanamafisana traikefa sy haitao ho an’ireo mpikambana ao anatin’izany koperativa izany ho fanohanana azy ireo. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fijerena sahady ny fametrahana ny tetikasa « ODOF » ity hetsika ataon’ny DRICA Bongolava ity.