📣 Vaovaon’ny faritra: Alaotra Mangoro

 

Ho fiarovana hatrany ny zon’ny mpanjifa sy hisorohana ny mety ho fisian’ny fanararaotana dia mitohy ny asa fanaraha-mason’ny vidin’ny entana sy ny fitaovam-pandanjana eny an-tsena tontosain’ny DRICA.

Toy izao amin’ny ankapobeny ny vidin’entana :
– Vary makalioka : 400 – 450 Ariary ny kapoaka
– Menaka madio : 4800 Ariary ny litatra
– Menaka mandry : 4100 Ariary ny litatra
– Siramamy : 2400 Ariary ny kilao
– Lafarina : 1950 Ariary ny kilao
– Sira vaingany : 520 Ariary ny kilao
– Sira vovony : 170 Ariary ny singany