đź“Ł Vaovaon’ny faritra: Matsiatra Ambony

Nanatanteraka fidinana ifotony nijerena ny zava-misy any an-toerana tao amin’ny Distrika Ambalavao ny DRICA Matsiatra Ambony ho fametrahana ny « Circonscription de l’Industrie du Commerce et de l’Artisanat ».

Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ny rafitra rehetra miara-miombona antoka eo amin’ny lafin’ny indostria, ny varotra ary ny asatanana.

Notontosaina ihany koa ny fanaraha-mason’ny vidin’ny entana eny an-tsena, nisy fitsidihana orinasa misahana ny «agro-industrie » ho fampiroboroboana ny indostria any amin’ny faritra. Nandritra ny fidinana ifotony izay ihany dia nijery manokana ireo mpanao asatanana any an-toerana ka nahafahana nihaino mivantana azy ireo handinihana ny fanohanana ho fampandrosoana ny sehatry ny asatanana.