đź“Ł Vaovaon’ny faritra: Atsimo Atsinanana

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny hetsika fiarovana ny zon’ny mpanjifa izay andraikitra sahanin’ny MICA ny fitsarana ireo fitaovana fandajana ampiasana eny an-tsena. Manatontosa izany fitsarana fitaovana izany ny eo anivon’ny DRICA Atsimo Atsinanana manomboka ny 05 ka hatramin’ny 11 Oktobra 2020. Araka izany dia mahazo ny « vignette » manamarina fa voatsara ny fitaovana ampiasan’ireo mpivarotra any an-toerana.
Zon’ny mpanjifa hatrany araka izany ny mitaky ny fampiasana ireo fitaovana voatsara ireo.
Sary : DRICA Atsimo Atsinanana