đź“Ł Vaovaon’ny faritra: Bongolava

Fanohanana sy fampiroboroboana ny fandraharahana malagasy eo amin’ny vehivavy, isan’ny laharam-pahamehana imasoan’ny MICA izay mifandraika amin’ny Velirano 7 napetraky ny Filoham-pirenena. Hetsika mifanaraka amin’izany indrindra dia nihaona tamin’ireo vehivavy mpitantana ny « Plateforme des Femmes de Bongolava » (PFB) ny DRICA tany an-toerana. Ny andraikitry ny minisitera ho fanohanana ireo mpandraharaha ny amin’ny fampandrosoana ny seha-piharian’izy ireo dia ny mijery ny fanampiana ara-teknika, ny fanampiana amin’ny fahitana lalam-barotra mahomby sy maharitra. Mikasika izany indrindra dia nidinika ny fepetra rehetra ahazoan’ny mpikambana ao amin’ny PFB ny karatra matihanina ho an’ny mpanao asatanana sy ny fomba hananganana koperativa matihanina.
Ny DRICA manerana ny Nosy dia tsy mitsahatra ny mifanakalo sy mifanerasera amin’ireo mpandraharaha ifotony ahafahana mampiroborobo ny fampandrosoana isam-paritra.
SARY: DRICA BONGOLAVA