📣 Vaovaon’ny faritra: Alaotra Mangoro

Koperativa miisa telo no nisitraka fiofanana mikasika ny fahaiza-mitantana sy ny lalàna mifehy ny koperativa ho fampandrosoana sy fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, dia ny Koperativa Fanavotana any Anororo mpamokatra masomboly sy ny Koperativa Fitaratra any Ambalavato mpamboly vary ary ny Koperativa Transrole mpamotraka Kubota izany. Ny fanomezana fiofanana tahaka izao dia tafiditra ao anatin’ny fanohanana ireo koperativa eny anivon’ny faritra entin’ny DRICA any an-toerana.