Fampahaizan’asa aman-draharaha ho an’ny mpanao asatanana

Ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Asatanana (DGA) eto amin’ny MICA sy ny Ivon-toerana Nasionalin’ny Asatanana Malagasy (CENAM) no niara-niasa ka nanolotra atrikasa hanohanana ireo mpanao asatanana amin’ny fikambanana C’ArtBon, Plum’Art sy VARATAVA misehatra ao anatin’ny sampam-pamokarana « peinture-photographie-art graphique ». Niompana manokana tamin’ny kolontsain’ny fandraharahana, ny fitantanana ny lalam-barotra, ny dingana mifanaraka amin’ny fanondranana ary ny sehatra matihanina ny fifanakalozana nandritra ny atrikasa natao. Nifarana tamin’ny fizarana ny karatry ny mpanao asatanana miisa 20 ary fizarana ny taratasy fanamarinana ny fandraisana anjara tamin’ny atrikasa ho an’ireo mpanao asatanana nisitraka izany.