📣 Vaovaon’ny faritra : Atsinanana

Natomboka omaly 03 Febroary ny fitsinjarana tamin’ny fomba ofisialy ny Vary Tsinjo isaky ny Tsena Mora tany Toamasina I. Nanao ny fanaraha-maso izany fizarana izany ny ekipan’ny DRICA Atsinanana. Toy ny fandaminana hatrany dia 5kg isankerinandro isaky ny karinem-pokontany no azon’ny mpanjifa jifaina. Nandritra ny fizarana ho fiarovana ny vahoaka ihany koa dia nanatontosa fizarana aro vava orona ny teo anivon’ny DRICA tany an-toerana.