📣 Vaovaon’ny faritra : Boeny

Tontosa tamin’ny herinandro lasa teo ny fihaonan’ny DRICA Boeny sy ireo vondron’ny mpanjono “Ny mihary no mihantra » sy ireo mpamokatra aro loza na « gilet de sauvetage ». Nisy ny fanentanana nataon’ny ekipan’ny DRICA tany an-toerana mikasika ny tombotsoa azo ao anatina koperativa toy ny fampiroboroboana ny sehatr’asa sy ny fivelaran’ny tsenam-barotra ary ny fisitrahana tohana ara-teknika. Isan’ny laharam-pahamehan’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana ny fampiroboroboana ny fandraharahana eny anivon’ny faritra ho fampandrosoana ny toekarena.