📣 Vaovaon’ny faritra : Melaky

Nandritra ny fidinana fanaraha-mason’ny kalitaon’ireo entana amidy eny an-tsena ho fitsinjovana ny mpanjifa hatrany dia nahatratra entana efa tsy azo hoanina intsony ireo ekipan’ny DRICA Melaky. Notanterahina ny faran’ny volana lasa teo ny fanampotehina sy fandoroana ireo entana ireo izay natrehan’ny manam-pahefana tany an-toerana toy ny solotenan’ny Faritra, ny prefektiora, ny kaominina, ny fokontany ary ny zandarimariam-pirenena. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fitsirihana atao eto anivon’ny MICA ny fanamarinana ny kalitaon’ny entana amidy ho an’ny mpanjifa ho fiarovana azy ireo.

Sary: DRICA Melaky