FAMOAHANA NY VIDIM-PANAFODY IADIANA AMIN’NY COVID-19 ANY AMIN’IREO TOERAM-PIVAROTANA ARA-DALANA REHETRA MANOMBOKA NY ZOMA 23 APRILY 2021

Araka ny toromarika navoakan’Atoa Filohan’ny Repoblika ny alahady lasa teo, amin’ny tokony hametrahana ny mangarahara sy ara-drariny amin’ny vidin’ny fanafody eto Madagasikara, manoloana ihany koa ny fitarainana voarain’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny momba ny vidina fanafody eny amin’ny toerana fivarotam-panafody ara-dalana tato ho ato sy ny fisian’ny fanararaotana hita amin’ireo sehatra tsy manara-drafitra samihafa, dia efa nandray andraikitra ny governemanta, ka amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, izay efa niara-nidinika amin’ireo mpisehatra rehetra nanomboka ny alatsinainy teo. Isan’izany ny olafitrin’ny farmasianina, ny mpanafatra, ny mpamongady, ny farmasiana ary ny sendika. Tapaka tamin’izany ny tokony ahafantaran’ny besinimaro ny vidiny ara-drariny ka :

✅Manomboka ny zoma izao dia hisy peta-drindrina isaky ny farmasia mampiseho ireo vidim-panafody ara-drariny rehetra hitsaboana ny aretina Coronavirus ary ny olafitrin’ny farmasianina no mandrindra izany.

✅Ireo fanafody Lovenox, Azithromycine, Uvimag, Magné B6, Revitalose ary ny Vitamines C no voakasik’izany fepetra izany.

Araka izany ho fanatanterahina ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, hipetraka manerana ireo fivarotam-panafody ara-dalana rehetra eto Antananarivo manomboka ny zoma izao ireo vidim-panafody ara-drariny amin’ny alalan’ny peta-drindrina ary hotanterahina isan-kerinandro tsy tapaka ny famoahana sy ny fanavaozana izany vidim-panafody izany izay iandraiketan’ny olafitry ny farmasianina (ONP), ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra ireo kosa dia hotanterahin’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana.