đź“Ł Vaovaon’ny faritra: Atsimo Andrefana

Isan’ny faritra mpamokatra hasy (na coton) eto Madagasikara ny faritra Atsimo Andrefana izay ahitana mpamboly hatramin’ny 605 isa sy orinasa lehibe manokana ary koperativa misehatra ao anatin’ity akora ity.
Araka ny Didim-panjakana laharana faha 20208/2016 tamin’ny 26 Septambra 2016 dia miara-miasa ho fampandrosoana ny Hasy eto Atsimo Andrefana ny « comité ministériel » izay ahitana ny MICA, ny MAEP ary ny MEF sy ny « conseil interprofessionnel du coton ».
Ho fanaraha-maso ny seha-pamokarana hasy amin’izao fiakaran’ny vokatra izao ary dia nidina ifotony ny komity voamarika etsy ambony izay ahitana ny DRICA Atsimo Andrefana sy ny « conseil interprofessionnel de coton » ka ireto avy ireo toerana notsidihana nandritra ny dimy (05) andro : CR ANKILIMALINIKA, CR TSIANISIHA, CR MILENAKY, CR ANKILILOAKA, CR ANALAMISAMPY, CR SOAHAZO, CR ANTANIMEVA, CR MITSINJO BETANIMENA, CR MIARY, CR MAROMIANDRA, CR BEHOMPY, CR ANDRANOVORY ary CR VINETA.
Ny tanjona amin’izany moa dia fanamarinana ireo toerana fanangonam-bokatra sy fanaraha-mason’ ny fampiarana ny voalazan’ny lalàna.
Sary DRICA ATSIMO ANDREFANA