đź“Ł Vaovaon’ny faritra: Bongolava

Tontosa hatramin’ny faha 23 may lasa teo ny asa fanamarinana ireo fitaovam-pandajana ampiasana eny an-tsena izay notontosain’ny ekipan’ny DRICA Bongolava tao amin’ny kaominina ambanivohitra Soanieràna, Ambararatabe sy Antsahalava. Fitaovana miisa hatramin’ny 104 no voamarina tamin’izany ary nandraisana fepetra avy hatrany ireo izay tsy manaraka ny fenitra takiana. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiarovana ny mpanjifa izany hetsika izany.
Sary DRICA Bongolava