đź“Ł Vaovaon’ny faritra: Menabe, Boeny

Fampivoarana sy fanatsarana ny tontolon’ny sehatry ny asatanana isam-paritra

👉Nanatanteraka fampiofanana natokana ho an’ireo Koperativa misehatra amin’ny jono an-dranomasina sy fanangonana ireo vokatra an-drano ny ekipan’ny DRICA Menabe ho fanatsarana sy fampandrosoana ny seha-piharian’izy ireo. Notolorana taratasy fanamarinana firaketana ihany koa ireo koperativa ireo rehefa nahazo ny fiofanana hidiran’izy ireo lalina kokoa amin’ny sehatra ara-dalĂ na izay tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny MICA.

👉Ho an’ny DRICA Boeny kosa indray dia tontosa andro vitsy lasa izay ny dinik’asa namolavolana ny fijoroan’ny komity hisahana ny fametrahana marika na « labellisation » ho an’ireo vokatra asatanana hita ao amin’ireo distrika 6 mandrafitra ny faritra Boeny. Ny tanjona amin’ny fametrahana izany komity izany dia fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra sy fampiakaran’ny taha-bokatra ho fampandrosoana ny seha-pihariana isan-tsokajiny ary ny sanda hary isam-paritra.